| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany. |
| 2 | Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. |
| 3 | Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra. |
| 4 | Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. |
| 5 | Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? |
| 6 | Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao? |
| 7 | Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao. |
| 8 | Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. |
| 9 | Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. |
| 10 | Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. |
| 11 | Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. |
| 12 | Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. |
| 13 | Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana. |