| 1 | Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina; |
| 2 | Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba. |
| 3 | Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra |
| 4 | Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo. |
| 5 | Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy. |
| 6 | Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. |
| 7 | Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao. |