| 1 | Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao. |
| 2 | Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra. |
| 3 | Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe: |
| 4 | Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby. |
| 5 | Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina. |
| 6 | Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah, |
| 7 | Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy? |
| 8 | Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. |
| 9 | Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. |
| 10 | Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. |
| 11 | Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. |
| 12 | Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona. |
| 13 | Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. |
| 14 | Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao. |
| 15 | Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany. |
| 16 | Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany. |
| 17 | Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay. |
| 18 | Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay. |
| 19 | Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona. |
| 20 | Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy; |
| 21 | Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy. |
| 22 | Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. |
| 23 | Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy. |
| 24 | Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony. |
| 25 | Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony. |
| 26 | Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy. |
| 27 | Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. |
| 28 | Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy. |
| 29 | Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra. |
| 30 | Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko, |
| 31 | Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany, |
| 32 | Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony. |
| 33 | Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko, |
| 34 | Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako. |
| 35 | Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho: |
| 36 | Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako; |
| 37 | Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. |
| 38 | Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao. |
| 39 | Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany. |
| 40 | Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy. |
| 41 | Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy. |
| 42 | Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra. |
| 43 | Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady. |
| 44 | Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany. |
| 45 | Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. |
| 46 | Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao? |
| 47 | Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra! |
| 48 | Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita? |
| 49 | Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao? |
| 50 | Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra, |
| 51 | Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao. |
| 52 | Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena. |