| 1 | Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata. |
| 2 | Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona. |
| 3 | Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy? |
| 4 | Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra. |
| 5 | Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny; |
| 6 | Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny |
| 7 | Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba. |
| 8 | Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo? |
| 9 | Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita? |
| 10 | Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona? |
| 11 | Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany. |
| 12 | Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao, |
| 13 | Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy. |
| 14 | Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny. |
| 15 | Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra |
| 16 | Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka? |
| 17 | Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko. |
| 18 | Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. |
| 19 | Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. |
| 20 | Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? |
| 21 | Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina. |
| 22 | Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro. |
| 23 | Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy. |