| 1 | Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. |
| 2 | Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany. |
| 3 | Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina. |
| 4 | Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro. |
| 5 | Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra. |
| 6 | Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny. |
| 7 | Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra. |
| 8 | Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô. |
| 9 | Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao. |
| 10 | Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy. |
| 11 | Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo. |
| 12 | Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina. |