| 1 | Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. |
| 2 | Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. |
| 3 | Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. |
| 4 | Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà. |
| 5 | Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana, |
| 6 | Amin'ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka. |
| 7 | Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. |
| 8 | Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra |
| 9 | Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana. |