Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Eksodosy 22

1Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin'izany;
2fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
3Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
4Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no hanonerany.
5Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
6Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny tranon'ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
7Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon'ny trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany izy, na tsia.
8Ny amin'ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon'olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa tonta, koa izay helohih'Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an'ny namany.
9Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
10dia fianianana amin'i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken'ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
11Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.
12Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
13Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
14Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.
15Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
16Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
17Aza velomina ny vehivavy manana ody.
18Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
19Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
20Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
21Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
22Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
24Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
25Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
26Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
27Aza miteny ratsy an'Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
28Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
29Izao no hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; hafitoana no hitoerany ao amin'ny reniny; ary amin'ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
30Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.
31
HomeMenu