| 1 | Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely: |
| 2 | Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana; |
| 3 | Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; |
| 4 | Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo. |
| 5 | Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; |
| 6 | Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. |
| 7 | Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy. |
| 8 | Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; |
| 9 | Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao. |
| 10 | Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky. |
| 11 | Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny; |
| 12 | Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; |
| 13 | Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika; |
| 14 | Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra: |
| 15 | Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany; |
| 16 | Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà. |
| 17 | Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona. |
| 18 | Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy. |
| 19 | Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany. |
| 20 | Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; |
| 21 | Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: |
| 22 | Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana? |
| 23 | Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. |
| 24 | Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; |
| 25 | Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: |
| 26 | Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. |
| 27 | Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, |
| 28 | Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. |
| 29 | Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, |
| 30 | Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, |
| 31 | Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. |
| 32 | Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy. |
| 33 | Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. |