| 1 | Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. |
| 2 | Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana. |
| 3 | Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy. |
| 4 | Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto. |
| 5 | Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra. |
| 6 | Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. |
| 7 | Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy. |
| 8 | Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava. |
| 9 | Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra. |
| 10 | Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. |
| 11 | Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. |
| 12 | Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. |
| 13 | Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina. |
| 14 | Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana. |
| 15 | Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy. |
| 16 | Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy. |
| 17 | Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. |
| 18 | Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. |
| 19 | Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry. |
| 20 | Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. |
| 21 | Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana. |
| 22 | Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany. |
| 23 | Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. |
| 24 | Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy. |
| 25 | Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay. |
| 26 | Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy. |
| 27 | Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina. |
| 28 | Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana. |
| 29 | Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. |
| 30 | Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany. |
| 31 | Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana. |
| 32 | Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka. |