| 1 | Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. |
| 2 | Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana. |
| 3 | Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. |
| 4 | Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. |
| 5 | Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. |
| 6 | Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza. |
| 7 | Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala. |
| 8 | Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. |
| 9 | Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany. |
| 10 | Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. |
| 11 | Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona! |
| 12 | Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy. |
| 13 | Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy. |
| 14 | Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana. |
| 15 | Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva. |
| 16 | Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy. |
| 17 | Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. |
| 18 | Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. |
| 19 | Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara. |
| 20 | Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny. |
| 21 | Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy |
| 22 | Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. |
| 23 | Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy! |
| 24 | Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, |
| 25 | Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy. |
| 26 | Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra. |
| 27 | Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. |
| 28 | Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. |
| 29 | Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. |
| 30 | Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana. |
| 31 | Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry. |
| 32 | Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. |
| 33 | Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana. |