| 1 | Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah. |
| 2 | Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy. |
| 3 | Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao. |
| 4 | Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza. |
| 5 | Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy. |
| 6 | Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy. |
| 7 | Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy. |
| 8 | Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny. |
| 9 | Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. |
| 10 | Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara. |
| 11 | An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo. |
| 12 | Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana. |
| 13 | Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany. |
| 14 | Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany. |
| 15 | Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano. |
| 16 | Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy. |
| 17 | Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. |
| 18 | Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana. |
| 19 | Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona. |
| 20 | Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra. |
| 21 | Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena. |
| 22 | Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany. |
| 23 | Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony. |
| 24 | Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana. |
| 25 | Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany. |
| 26 | Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy. |
| 27 | Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony. |
| 28 | Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. |
| 29 | Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara. |
| 30 | Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy. |
| 31 | Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy. |
| 32 | Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. |
| 33 | Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany. |