| 1 | Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. |
| 2 | Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony. |
| 3 | Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra. |
| 4 | Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena, |
| 5 | Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana. |
| 6 | Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka. |
| 7 | Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny. |
| 8 | Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. |
| 9 | Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba. |
| 10 | Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. |
| 11 | Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. |
| 12 | Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. |
| 13 | Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany. |
| 14 | Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany? |
| 15 | Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany. |
| 16 | Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe. |
| 17 | Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny. |
| 18 | Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery. |
| 19 | Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka. |
| 20 | Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. |
| 21 | Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. |
| 22 | Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah. |
| 23 | Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery. |
| 24 | Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza. |