| 1 | Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala. |
| 2 | Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana. |
| 3 | Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. |
| 4 | Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany. |
| 5 | Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala. |
| 6 | Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra. |
| 7 | Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy. |
| 8 | Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa. |
| 9 | Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very. |
| 10 | Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana. |
| 11 | Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. |
| 12 | Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra. |
| 13 | Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva. |
| 14 | Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah. |
| 15 | Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina. |
| 16 | Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. |
| 17 | Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa. |
| 18 | Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy. |
| 19 | Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray. |
| 20 | Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao. |
| 21 | Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra. |
| 22 | Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. |
| 23 | Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. |
| 24 | Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany. |
| 25 | Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy. |
| 26 | Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka. |
| 27 | Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana. |
| 28 | Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy. |
| 29 | Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala. |