| 1 | Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko, |
| 2 | Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; |
| 3 | Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina, |
| 4 | Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: |
| 5 | Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. |
| 6 | Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. |
| 7 | Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny; |
| 8 | Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina. |
| 9 | Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra. |
| 10 | Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana, |
| 11 | Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana, |
| 12 | Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka, |
| 13 | Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana, |
| 14 | Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy, |
| 15 | Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany; |
| 16 | Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny, |
| 17 | Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny. |
| 18 | Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty. |
| 19 | Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina, |
| 20 | Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina. |
| 21 | Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; |
| 22 | Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana. |