| 1 | Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao, |
| 2 | Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao. |
| 3 | Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany. |
| 4 | Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao. |
| 5 | Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra. |
| 6 | Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; |
| 7 | Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao. |
| 8 | Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. |
| 9 | Aza miteny amin' ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao. |
| 10 | Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty; |
| 11 | Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao. |
| 12 | Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao. |
| 13 | Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; |
| 14 | Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. |
| 15 | Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; |
| 16 | Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao. |
| 17 | Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro; |
| 18 | Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao. |
| 19 | Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao. |
| 20 | Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; |
| 21 | Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. |
| 22 | Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. |
| 23 | Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. |
| 24 | Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. |
| 25 | Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao. |
| 26 | Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako; |
| 27 | Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; |
| 28 | Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika. |
| 29 | An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? |
| 30 | An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. |
| 31 | Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra; |
| 32 | Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. |
| 33 | Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy. |
| 34 | Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo. |
| 35 | Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray? |