| 1 | Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala. |
| 2 | Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany. |
| 3 | Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala. |
| 4 | Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao. |
| 5 | Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy |
| 6 | Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala. |
| 7 | Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala. |
| 8 | Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala. |
| 9 | Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala. |
| 10 | Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo. |
| 11 | Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany. |
| 12 | Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy. |
| 13 | Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe. |
| 14 | Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany, |
| 15 | Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy. |
| 16 | Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara. |
| 17 | Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny. |
| 18 | Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, |
| 19 | Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko? |
| 20 | Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana. |
| 21 | Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana. |
| 22 | Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. |
| 23 | Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy. |
| 24 | Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony; |
| 25 | Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony. |
| 26 | Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso. |
| 27 | Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa. |
| 28 | Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza. |