| 1 | Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana. |
| 2 | Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy. |
| 3 | Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena. |
| 4 | Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa. |
| 5 | Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony. |
| 6 | Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly. |
| 7 | Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena. |
| 8 | Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana. |
| 9 | Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana. |
| 10 | Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy. |
| 11 | Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo. |
| 12 | Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra. |
| 13 | Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta. |
| 14 | Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany. |
| 15 | Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. |
| 16 | Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. |
| 17 | Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao. |
| 18 | Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra. |
| 19 | Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny. |
| 20 | Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy. |
| 21 | Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany. |
| 22 | Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana. |
| 23 | Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena. |
| 24 | Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza. |
| 25 | Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena. |
| 26 | Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona. |
| 27 | Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa. |