| 1 | Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy. |
| 2 | Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? |
| 3 | Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka. |
| 4 | Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; |
| 5 | Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. |
| 6 | Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy; |
| 7 | Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony. |
| 8 | Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny; |
| 9 | Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. |
| 10 | Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. |
| 11 | Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. |
| 12 | Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany. |
| 13 | Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany. |
| 14 | Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny. |
| 15 | Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny. |
| 16 | Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. |
| 17 | Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. |
| 18 | Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. |
| 19 | Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. |
| 20 | Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. |
| 21 | Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa. |
| 22 | Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. |
| 23 | Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona. |
| 24 | Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto. |
| 25 | Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. |
| 26 | Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany. |
| 27 | Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana. |
| 28 | Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: |
| 29 | Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra. |
| 30 | Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina. |
| 31 | Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady. |