Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Ohabolana 4

1Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.
4Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
8Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
17Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
18Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
19Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.
24Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
27Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
HomeMenu