| 1 | Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako, |
| 2 | Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana. |
| 3 | Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; |
| 4 | Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela. |
| 5 | Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. |
| 6 | Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany. |
| 7 | Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako. |
| 8 | Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony; |
| 9 | Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe; |
| 10 | Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny; |
| 11 | Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao; |
| 12 | Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko, |
| 13 | Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? |
| 14 | Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana. |
| 15 | Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao. |
| 16 | Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao? |
| 17 | Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa. |
| 18 | Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao. |
| 19 | Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao. |
| 20 | Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? |
| 21 | Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa. |
| 22 | Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy |
| 23 | Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany. |