1 | Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa, |
2 | Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, |
3 | Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao. |
4 | Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao. |
5 | Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika. |
6 | Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre; |
7 | Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka, |
8 | Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano. |
9 | Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao? |
10 | Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory, |
11 | Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. |
12 | Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, |
13 | Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany; |
14 | Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady. |
15 | Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana. |
16 | Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana: |
17 | Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, |
18 | Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, |
19 | Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy. |
20 | Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. |
21 | Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao, |
22 | Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao. |
23 | Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana, |
24 | Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. |
25 | Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy. |
26 | Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa. |
27 | Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony? |
28 | Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony? |
29 | Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy. |
30 | Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; |
31 | Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony. |
32 | Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. |
33 | Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra. |
34 | Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany. |
35 | Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza. |