| 1 | Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; |
| 2 | Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; |
| 3 | Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: |
| 4 | Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy: |
| 5 | Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. |
| 6 | Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana. |
| 7 | Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. |
| 8 | Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. |
| 9 | Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. |
| 10 | Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. |
| 11 | Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. |
| 12 | Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany. |
| 13 | Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. |
| 14 | Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna, |
| 15 | Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe: |
| 16 | Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy: |
| 17 | Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana, |
| 18 | Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. |