| 1 | Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona. |
| 2 | Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao. |
| 3 | Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao. |
| 4 | Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao. |
| 5 | Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona. |
| 6 | Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako. |
| 7 | Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao? |
| 8 | Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao. |
| 9 | Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao. |
| 10 | Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado. |
| 11 | Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao. |
| 12 | Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako. |
| 13 | Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako. |
| 14 | Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy. |
| 15 | Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao. |
| 16 | Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika. |
| 17 | Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika. |