| 1 | Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina, |
| 2 | Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, |
| 3 | Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody. |
| 4 | Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. |
| 5 | Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza. |
| 6 | Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao, |
| 7 | Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. |
| 8 | Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny. |
| 9 | Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy. |
| 10 | Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. |
| 11 | Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy. |
| 12 | Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao. |
| 13 | Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena. |
| 14 | Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny. |
| 15 | Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro. |
| 16 | Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, |
| 17 | Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany. |
| 18 | Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, |
| 19 | Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara, |
| 20 | Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka, |
| 21 | Na ny peratra, na ny kavin'orona, |
| 22 | Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra, |
| 23 | Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana; |
| 24 | Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay. |
| 25 | Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady; |
| 26 | Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky, |