| 1 | Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny. |
| 2 | Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. |
| 3 | Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino. |
| 4 | Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy. |
| 5 | Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be. |
| 6 | Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. |
| 7 | Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; |
| 8 | Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany. |
| 9 | Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko. |
| 10 | Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo |
| 11 | Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana. |
| 12 | Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra. |
| 13 | Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza; |
| 14 | Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, |
| 15 | Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala. |
| 16 | Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra. |
| 17 | Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; |
| 18 | Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po; |
| 19 | Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna. |
| 20 | Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky. |