Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Isaia 4

1Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
2Amin'izany andro izany ny rantsan'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely sisa afaka;
3Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.
4Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
5Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
6Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
HomeMenu