| 1 | Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka. |
| 2 | Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa. |
| 3 | Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: |
| 4 | Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. |
| 5 | Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? |
| 6 | Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. |
| 7 | Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany. |
| 8 | Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. |
| 9 | Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, |
| 10 | Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra, |
| 11 | Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy. |
| 12 | Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana: |
| 13 | Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely. |