| 1 | Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany. |
| 2 | Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava. |
| 3 | Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva. |
| 4 | Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako. |
| 5 | Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana. |
| 6 | Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho. |
| 7 | Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako. |
| 8 | Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako. |
| 9 | Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako. |
| 10 | Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena; |
| 11 | Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina. |
| 12 | Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka. |
| 13 | Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy. |
| 14 | Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro. |
| 15 | Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty. |
| 16 | Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho. |
| 17 | Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara. |
| 18 | Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah. |
| 19 | Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy. |
| 20 | Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy. |
| 21 | Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho. |
| 22 | Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. |
| 23 | Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. |
| 24 | Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho. |
| 25 | Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. |
| 26 | Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana. |
| 27 | Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. |
| 28 | Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany. |
| 29 | Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina. |
| 30 | Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa. |
| 31 | Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; |
| 32 | Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony. |
| 33 | Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona. |
| 34 | Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra, |
| 35 | Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra, |
| 36 | Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo. |
| 37 | Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo? |
| 38 | Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ? |
| 39 | Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy? |
| 40 | Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah. |
| 41 | Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika. |
| 42 | Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka. |
| 43 | Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao. |
| 44 | Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka. |
| 45 | Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay. |
| 46 | Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay. |
| 47 | Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana. |
| 48 | Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy. |
| 49 | Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana, |
| 50 | Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra. |
| 51 | Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra. |
| 52 | Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely. |
| 53 | Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. |
| 54 | Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity! |
| 55 | Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho. |
| 56 | Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. |
| 57 | Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra. |
| 58 | Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao. |
| 59 | Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko. |
| 60 | Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy |
| 61 | Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy, |
| 62 | Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy. |
| 63 | Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho. |
| 64 | Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô. |
| 65 | Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao. |
| 66 | Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah. |