Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Ezekiela 25

1Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Ry zanak'olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
3ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
4Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
5Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
7Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
9Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
10Ho an'ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak'i Amona'ihany, eny, hatolotro ho fananan'ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin'ny firenena intsony ny taranak'i Amona.
11Ary hotanterahiko ny fitsarana an'i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
12Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
13Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.
14Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
15Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
16Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
17Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
HomeMenu