| 1 | Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. |
| 2 | Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. |
| 3 | Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. |
| 4 | Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! |
| 5 | Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; |
| 6 | ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. |
| 7 | Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. |
| 8 | Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. |
| 9 | Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. |
| 10 | Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. |
| 11 | Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. |
| 12 | Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; |
| 13 | ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. |
| 14 | Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. |
| 15 | Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: |
| 16 | Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra. |
| 17 | Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy. |
| 18 | Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao? |
| 19 | dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako. |
| 20 | Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony. |
| 21 | Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny: |
| 22 | ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony. |
| 23 | Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. |
| 24 | Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany. |
| 25 | Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay. |
| 26 | Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. |
| 27 | Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. |
| 28 | Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. |