Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Hosea 5

1Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
2Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
3Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
4Tsy avelan'ny ataony hiverina amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
5Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
6Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
7Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany.
8Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
9Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely.
10Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
11Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,
12Koa amin'i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra.
13Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
14Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
15Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
HomeMenu