| 1 | Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara. |
| 2 | Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra. |
| 3 | Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely. |
| 4 | Tsy avelan'ny ataony hiverina amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany. |
| 5 | Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa. |
| 6 | Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy. |
| 7 | Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany. |
| 8 | Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina! |
| 9 | Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely. |
| 10 | Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano. |
| 11 | Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy, |
| 12 | Koa amin'i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra. |
| 13 | Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo. |
| 14 | Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy. |
| 15 | Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra. |