1 | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
2 | Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo: |
3 | Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. |
4 | Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
5 | Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah. |
6 | Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah. |
7 | Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy. |
8 | Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy. |
9 | Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. |
10 | Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa. |
11 | Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. |
12 | Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy. |
13 | Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy. |
14 | Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy. |
15 | Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy. |
16 | Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy. |
17 | Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany. |
18 | Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona. |
19 | Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy. |
20 | Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy. |
21 | Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
22 | Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. |
23 | Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. |
24 | Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. |
25 | Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo. |
26 | Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo |
27 | (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany), |
28 | mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. |
29 | Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. |
30 | Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |