| 1 | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 | Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. |
| 3 | Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 4 | Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 5 | Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana anareo izany. |
| 6 | Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany. |
| 7 | Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; |
| 8 | fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany. |
| 9 | Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao. |
| 10 | Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 11 | Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. |
| 12 | Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
| 13 | Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. |
| 14 | Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
| 15 | Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. |
| 16 | Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. |
| 17 | Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. |
| 18 | Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. |
| 19 | Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. |
| 20 | Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. |
| 21 | Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; |
| 22 | ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. |
| 23 | Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; |
| 24 | ary amin'ny taona fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i Jehovah; |
| 25 | fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 26 | Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro. |
| 27 | Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. |
| 28 | Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah. |
| 29 | Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. |
| 30 | Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah. |
| 31 | Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 32 | Mitsangàna raha eo anatrehan'ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
| 33 | Ary raha misy mivahiny aminao eo amin'ny taninareo, aza manao sarotra aminy. |
| 34 | Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 35 | Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na amin'ny famarana. |
| 36 | Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. |
| 37 | Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. |