| 1 | Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. |
| 2 | Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona |
| 3 | ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. |
| 4 | Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra. |
| 5 | Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. |
| 6 | Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. |
| 7 | Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô. |
| 8 | Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina. |
| 9 | Izay mivavaka amin'ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy |
| 10 | Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona. |