| 1 | Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory! |
| 2 | Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny. |
| 3 | Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina. |
| 4 | Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy. |
| 5 | Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra. |
| 6 | Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina. |
| 7 | Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra. |
| 8 | Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra. |
| 9 | Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina. |
| 10 | Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. |
| 11 | Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao. |
| 12 | Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany, |
| 13 | Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. |
| 14 | Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. |
| 15 | Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. |
| 16 | Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. |
| 17 | Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. |
| 18 | Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy. |
| 19 | Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. |
| 20 | Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. |