| 1 | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe: |
| 2 | Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay, |
| 3 | dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona. |
| 4 | Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy. |
| 5 | Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora; |
| 6 | ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday; |
| 7 | ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba; |
| 8 | ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara; |
| 9 | ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona; |
| 10 | ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa; |
| 11 | ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony; |
| 12 | ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday; |
| 13 | ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana; |
| 14 | ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela; |
| 15 | ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana. |
| 16 | Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely. |
| 17 | Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo, |
| 18 | dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra. |
| 19 | Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay. |
| 20 | Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika, |
| 21 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina. |
| 22 | Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika |
| 23 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina. |
| 24 | Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 25 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina. |
| 26 | Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 27 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina. |
| 28 | Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 29 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina. |
| 30 | Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 31 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina. |
| 32 | Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 33 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina; |
| 34 | ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 35 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina. |
| 36 | Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 37 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina. |
| 38 | Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 39 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. |
| 40 | Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika |
| 41 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina. |
| 42 | Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, |
| 43 | izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. |
| 44 | Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy. |
| 45 | Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely, |
| 46 | dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy. |
| 47 | Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo. |
| 48 | Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 49 | Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely; |
| 50 | fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. |
| 51 | Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. |
| 52 | Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony. |
| 53 | Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona. |
| 54 | Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony. |