| 1 | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 | Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy. |
| 3 | Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 4 | Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro. |
| 5 | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 6 | Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy. |
| 7 | Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy. |
| 8 | Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota. |
| 9 | Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra. |
| 10 | Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy; |
| 11 | ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy. |
| 12 | Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita. |
| 13 | Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy. |
| 14 | Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy. |
| 15 | Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva; |
| 16 | fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy. |
| 17 | Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy. |
| 18 | Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely. |
| 19 | Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy. |
| 20 | Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy. |
| 21 | Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy. |
| 22 | Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy. |
| 23 | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 24 | Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; |
| 25 | fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony; |
| 26 | kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany. |