| 1 | Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. |
| 2 | Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. |
| 3 | Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; |
| 4 | ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany. |
| 5 | Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. |
| 6 | Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. |
| 7 | Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany. |
| 8 | Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. |
| 9 | Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. |
| 10 | Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. |
| 11 | Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. |
| 12 | Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. |
| 13 | Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. |
| 14 | Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: |
| 15 | koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. |
| 16 | Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. |
| 17 | Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. |
| 18 | Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony. |
| 19 | Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany. |
| 20 | Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. |
| 21 | Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao. |
| 22 | Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. |
| 23 | Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao. |
| 24 | Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao; |
| 25 | dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. |
| 26 | Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; |
| 27 | koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. |
| 28 | Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. |
| 29 | Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. |
| 30 | Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. |
| 31 | Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; |
| 32 | ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; |
| 33 | ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany. |
| 34 | Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; |
| 35 | fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; |
| 36 | tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. |
| 37 | Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? |
| 38 | Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? |
| 39 | Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? |
| 40 | Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. |
| 41 | Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; |
| 42 | fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; |
| 43 | nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. |
| 44 | Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? |
| 45 | Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. |
| 46 | Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay. |