| 1 | Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo. |
| 2 | Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy, |
| 3 | fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza. |
| 4 | Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. |
| 5 | Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato. |
| 6 | Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany |
| 7 | sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, |
| 8 | satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. |
| 9 | Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. |
| 10 | Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. |
| 11 | Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra. |
| 12 | Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy. |
| 13 | Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy. |
| 14 | Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany; |
| 15 | ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. |
| 16 | Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa. |
| 17 | Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny. |
| 18 | Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. |
| 19 | Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. |
| 20 | Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. |
| 21 | Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy. |
| 22 | Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony |
| 23 | ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona. |
| 24 | Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy. |
| 25 | Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona |
| 26 | sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; |
| 27 | koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. |
| 28 | Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho. |
| 29 | Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. |
| 30 | Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? |
| 31 | Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? |
| 32 | Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany. |
| 33 | Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. |
| 34 | Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao. |
| 35 | Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? |
| 36 | Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. |
| 37 | Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. |
| 38 | Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. |
| 39 | Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. |
| 40 | Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy. |
| 41 | Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. |
| 42 | Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona. |
| 43 | Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy. |