| 1 | Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany. |
| 2 | Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. |
| 3 | Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay. |
| 4 | Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. |
| 5 | Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; |
| 6 | fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; |
| 7 | ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? |
| 8 | Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy. |
| 9 | Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. |
| 10 | Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. |
| 11 | Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? |
| 12 | ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? |
| 13 | Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? |
| 14 | Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka. |
| 15 | Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia. |
| 16 | Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra. |
| 17 | Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. |
| 18 | Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia. |
| 19 | Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo. |
| 20 | Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. |
| 21 | Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. |
| 22 | Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy. |
| 23 | Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. |
| 24 | Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. |
| 25 | Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano. |
| 26 | Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany. |
| 27 | Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao. |
| 28 | Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. |
| 29 | Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona; |
| 30 | Fa tahaka an'i Jona izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity. |
| 31 | Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. |
| 32 | Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. |
| 33 | Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava. |
| 34 | Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. |
| 35 | Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao. |
| 36 | Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao. |
| 37 | Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana. |
| 38 | Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana. |
| 39 | Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana. |
| 40 | Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa? |
| 41 | Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra. |
| 42 | Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana. |
| 43 | Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo. |
| 44 | Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy. |
| 45 | Ary ny anankiray tamin'ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa. |
| 46 | Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza. |
| 47 | Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy. |
| 48 | Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany. |
| 49 | Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny, |
| 50 | mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, |
| 51 | dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany. |
| 52 | Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo. |
| 53 | Ary raha niala teo Izy, dia noteren'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro. |
| 54 | Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany. |