| 1 | Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny. |
| 2 | Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy? |
| 3 | Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. |
| 4 | Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny? |
| 5 | Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. |
| 6 | Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita. |
| 7 | Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany? |
| 8 | Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika; |
| 9 | angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany. |
| 10 | Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. |
| 11 | Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. |
| 12 | Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao. |
| 13 | Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra. |
| 14 | Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata. |
| 15 | Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano? |
| 16 | Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va? |
| 17 | Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony. |
| 18 | Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy? |
| 19 | Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany. |
| 20 | Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? |
| 21 | Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. |
| 22 | Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema. |
| 23 | Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona: |
| 24 | Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. |
| 25 | Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; |
| 26 | ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao. |
| 27 | Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka. |
| 28 | Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. |
| 29 | Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra. |
| 30 | Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana. |
| 31 | Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda. |
| 32 | Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko. |
| 33 | Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema. |
| 34 | Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo! |
| 35 | Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26). |