Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Lioka 19

1Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an'i Jeriko.
2Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.
3Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan'ny olona nifanety, satria fohy izy.
4Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an'i Jesosy; fa efa handalo tamin'izany lalana izany Izy.
5Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
6Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
7Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy.
8Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
9Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa.
10Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
11Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra.
12Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
13Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.
14Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.
15Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana.
16Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
17Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
18Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
19Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
20Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara.
21Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
22Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
23koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
24Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
25(Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
26Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
27Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
28Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra
30ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento erỳ .
31Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.
32Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
33Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
34Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.
35Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
36Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
37Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
38ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra.
39Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
40Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
42ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany.
43Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
44ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
45Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
46ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
47Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
48nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
HomeMenu