| 1 | Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, |
| 2 | ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. |
| 3 | Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? |
| 4 | Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. |
| 5 | Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. |
| 6 | Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny. |
| 7 | Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. |
| 8 | Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. |
| 9 | Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. |
| 10 | Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. |
| 11 | Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany. |
| 12 | Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona; |
| 13 | ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. |
| 14 | Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; |
| 15 | ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. |
| 16 | Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra. |
| 17 | Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy, |
| 18 | dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina. |
| 19 | Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe: |
| 20 | Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. |
| 21 | Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. |
| 22 | Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe: |
| 23 | Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay. |
| 24 | Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany. |
| 25 | Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona. |
| 26 | Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. |
| 27 | Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy |
| 28 | ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany. |
| 29 | Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. |
| 30 | Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo. |
| 31 | Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. |
| 32 | Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. |
| 33 | Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy. |
| 34 | Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo. |
| 35 | Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. |
| 36 | Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona. |
| 37 | Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy. |
| 38 | Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana; |
| 39 | fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo. |
| 40 | Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. |
| 41 | Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany. |
| 42 | Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy. |