| 1 | Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? |
| 2 | Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny. |
| 3 | Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra? |
| 4 | Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4). |
| 5 | Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - |
| 6 | Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? |
| 7 | Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? |
| 8 | Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny. |
| 9 | Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; |
| 10 | araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; |
| 11 | Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. |
| 12 | Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3). |
| 13 | Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3); |
| 14 | Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7); |
| 15 | Ny tongony mimaona handatsa-drà; |
| 16 | Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany; |
| 17 | Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8); |
| 18 | Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1). |
| 19 | Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, |
| 20 | satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. |
| 21 | Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, |
| 22 | dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, |
| 23 | fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, |
| 24 | nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, |
| 25 | Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, |
| 26 | mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. |
| 27 | Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana. |
| 28 | Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna. |
| 29 | Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa; |
| 30 | fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana. |
| 31 | Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. |