| 1 | Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, |
| 2 | izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. |
| 3 | Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, |
| 4 | dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; |
| 5 | ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. |
| 6 | Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. |
| 7 | Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. |
| 8 | Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. |
| 9 | Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho. |
| 10 | Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. |
| 11 | Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo. |
| 12 | Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? |
| 13 | Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; |
| 14 | ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. |
| 15 | Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. |
| 16 | Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; |
| 17 | ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; |
| 18 | dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. |
| 19 | Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. |
| 20 | Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. |
| 21 | Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. |
| 22 | Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy. |
| 23 | Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany. |
| 24 | Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. |
| 25 | Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1). |
| 26 | Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. |
| 27 | Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. |
| 28 | Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany. |
| 29 | Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy? |
| 30 | Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva? |
| 31 | Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho. |
| 32 | Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13). |
| 33 | Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. |
| 34 | Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany. |
| 35 | Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany? |
| 36 | Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha; |
| 37 | ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa; |
| 38 | fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy. |
| 39 | Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano. |
| 40 | Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany. |
| 41 | Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray. |
| 42 | Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana; |
| 43 | afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery; |
| 44 | afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa. |
| 45 | Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona. |
| 46 | Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy. |
| 47 | Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. |
| 48 | Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra. |
| 49 | Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa. |
| 50 | Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. |
| 51 | Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, |
| 52 | fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. |
| 53 | Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. |
| 54 | Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25. 8). |
| 55 | Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). |
| 56 | Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. |
| 57 | Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. |
| 58 | Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. |