| 1 | Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia. |
| 2 | Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. |
| 3 | Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema. |
| 4 | Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo. |
| 5 | Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho - |
| 6 | ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako. |
| 7 | Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo. |
| 8 | Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta; |
| 9 | fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. |
| 10 | Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. |
| 11 | Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. |
| 12 | Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. |
| 13 | Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. |
| 14 | Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. |
| 15 | Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, |
| 16 | mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. |
| 17 | Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; |
| 18 | fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny. |
| 19 | Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony. |
| 20 | Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. |
| 21 | Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. |
| 22 | Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata. |
| 23 | Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo; |
| 24 | ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena. |