| 1 | Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo. |
| 2 | Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy. |
| 3 | Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. |
| 4 | Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany! |
| 5 | Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo. |
| 6 | Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra izany hahasoa anareo. |
| 7 | Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo? |
| 8 | Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo. |
| 9 | Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany. |
| 10 | Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia. |
| 11 | Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala. |
| 12 | Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany. |
| 13 | Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. |
| 14 | Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. |
| 15 | Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany. |
| 16 | Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa. |
| 17 | Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany. |
| 18 | Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho. |
| 19 | Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo. |
| 20 | Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo. |
| 21 | Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho. |
| 22 | Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa. |
| 23 | Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. |
| 24 | Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. |
| 25 | Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina, |
| 26 | nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, |
| 27 | tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana. |
| 28 | Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra. |
| 29 | Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho? |
| 30 | Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha. |
| 31 | Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. |
| 32 | Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy; |
| 33 | fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho. |