| 1 | Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; |
| 2 | fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. |
| 3 | Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; |
| 4 | fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, |
| 5 | hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. |
| 6 | Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. |
| 7 | Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. |
| 8 | Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy; |
| 9 | fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? |
| 10 | Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. |
| 11 | Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. |
| 12 | Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo; |
| 13 | nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany; |
| 14 | ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza. |
| 15 | Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. |
| 16 | Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo? |
| 17 | Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. |
| 18 | Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. |
| 19 | Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, |
| 20 | enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. |
| 21 | Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna? |
| 22 | fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo. |
| 23 | Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana. |
| 24 | Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. |
| 25 | Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. |
| 26 | Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. |
| 27 | Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1). |
| 28 | Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. |
| 29 | Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. |
| 30 | Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10). |
| 31 | Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo. |