| 1 | Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; |
| 2 | ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. |
| 3 | Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, |
| 4 | na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra. |
| 5 | Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany). |
| 6 | Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana. |
| 7 | Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo. |
| 8 | Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava |
| 9 | (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), |
| 10 | mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. |
| 11 | Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. |
| 12 | Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. |
| 13 | Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. |
| 14 | Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. |
| 15 | Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, |
| 16 | ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. |
| 17 | Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo. |
| 18 | Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, |
| 19 | ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo, |
| 20 | misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, |
| 21 | sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy, |
| 22 | Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. |
| 23 | Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. |
| 24 | Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. |
| 25 | Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, |
| 26 | mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; |
| 27 | mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. |
| 28 | Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. |
| 29 | Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; |
| 30 | fa momba ny tenany isika. |
| 31 | Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). |
| 32 | Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. |
| 33 | Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. |