| 1 | Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany. |
| 2 | Fa tsy hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy. |
| 3 | Ary izao no ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona, dia avy amin'izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an'ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny; |
| 4 | ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan'ny volon'ondrinao no homenao azy. |
| 5 | Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah. |
| 6 | Ary raha misy Levita miala amin'ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin'ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian'ny fony ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, |
| 7 | ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan'i Jehovah, |
| 8 | dia anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny azony tamin-drainy. |
| 9 | REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo. |
| 10 | Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, |
| 11 | na manao ho masim-bava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty. |
| 12 | Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. |
| 13 | Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao. |
| 14 | Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany. |
| 15 | Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo; |
| 16 | araka izay rehetra nangatahinao tamin'i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin'ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. |
| 17 | Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy. |
| 18 | Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. |
| 19 | Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. |
| 20 | Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty. |
| 21 | Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah? |
| 22 | Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. |